Naiditra am-ponja omaly, ireo roa lahy mpangalatra moto voasambotry ny mpitandro filaminana, tetsy Analakely. Nangalatra taxi-moto tao anelanelan’Ambatolampikely sy Malaza, fokontany Ambohidralambo, kaominina Ambanitsena izy ireo. Voaroba tamin’izany ny moto scooter 4T. Naharay fitarainana ny zandary miasa ao Carion ny ampitson’io. Nokarohina ny mpangalatra. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy mampiasa eo Analakely ilay moto halatra. Nidina nanamarina izany izy ireo. Tratra ny roa lahy nividy halatra. Nohadihadiana lalina ireo roa lahy ka noraisim-potsiny tsy lavitra teo koa, ny atidoha nikotrika ny fangalarana. Niampy iray ny olona voasambotra ny 20 desambra teo. Tafakatra efatra ireo voasaringotra. Nentina teny anivon’ny fampanoavana izy rehetra voatonontonona. Notanana am-ponja vonjimaika ny roa lahy izay tompon’antoka tamin’ny fangalarana. Nahazo fahafahana vonjimaika saingy miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo ny ambiny.
Tsiferana R.