Andriarimanjaka Dina Nomena: « Nampivelatra ny fanatontosana ny ranty… »

Hifarana ny 31 desambra 2023 ny fampirantiana « A la recherche de Betia », tontosain’ Andriarimanjaka Dina Nomena, eny amin’ny Fondation H Ambatomena. « Nitondra vokatsoa maro teo amin’ny maha mpahay kanto ahy ny nandraisana anjara tamin’ny fifaninanana « Prix Paritana », indrindra ny nanatontosana ity fampirantiana ity », hoy Andriarimanjaka Dina Nomena, anisan’ny mpandresin’ny fifaninanana « Prix Paritana » andiany fahafito.

Malagasy mpahay kanto marolafy, miangaly manokana ny resaka fiarahamonina sy ny tantara i Dina Nomena, amin’ny maha mpahay kanto miantsehatra eo anivon’ny tantara azy. Mampametra-panontaniana azy ny fifandraisany amin’izao tontolo izao. Eo ihany koa ny fitadidian’ny tsirairay sy ny an’ny rehetra. Mifototra amin’ny tahirin-kevitra sy sary ny haikantony, milaro singa maro samihafa sahala amin’ny sary sy lamba ary poezia sy soratra.

Ho an’ny fampirantiany eny amin’ny Fondation H Ambatomena. Ny tantaran’ireo mpanjaka, indrindra ny vehivavy, nanana ny naha izy azy, nandritra ny fanjakany, no hampahafantariny eny. Anisan’izany i Binao Andriamanjakamboniarivo, mpanjakavavin’ny Sakalava Bemihisatra, teo anelanelan’ny taona 1880 hatramin’ny 1923.

Lin

Partager sur: