Ny mpamaky boky tao amin’ny « Bibliothèque communautaire Ambohimandroso » indray no nandray ny « Bibliothèques Mobiles », omaly. Tetikasa iarahan’ny Ressources éducatives Madagascar sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fikambanana « Kianjan’ny Ankizy ». Tanjona ny hanentanana ny ankizy ho tia vaky boky ka hamerenana ny hasin’ny boky eo amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana.
Nitohy teny amin’ny « Bibliothèque communautaire Ambohimandroso » ny hetsika vaky boky mitety vohitra. Tsara ny mampahafantatra fa boky atao anaty vata, ahitana boky karazany maro, indrindra ho an’ny ankizy izany. Misy ny boky fianarana sy ny boky tantara an-tsary ary ny boky tantara foronina sy angano. Mitety ireo trano famakiam-boky mielipatrana manerana ny boriborintany enina misy eto Antananarivo Renivohitra, ny tetikasa. Afaka misitraka ny boky ao aminy avokoa izay liana mandritra ny fandalovany.
Amin’ny ankapobeny, maro ny olona liana sy misitraka izany raha ny omaly. Tsy nahasakana ny ankizy ho tonga maro ny fotoam-pialantsasatra. Maro no namaly ny antson’ny mpikarakara, samy namaky ny karazam-boky nifanaraka amin’ny sokajin-taonany avy.
Hatsaraina sy hotohizana amin’ireo trano famakiam-boky eny anivon’ny boriborintany hafa ny tetikasa, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Lin