Novakin’ny jiolahy ny biraon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ao Toamasina, ny talata alina teo. Tsy naka na inona na inona anefa ireo jiolahy satria tsy nisy nihetsika tamin’ny toerana ny entana rehetra…
Nisy namaky omaly alina ny varavaramby roa miditra ao amin’ny biraon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina. Tafiditra hatrany amin’ny biraon’ny lehiben’ny mpiraki-draharaha ireo olon-dratsy. Misy varavarana roa anefa vao tonga ao anatiny. Mandalo varavarana voalohany sy ny varavarana manefitra ny biraon’ny lehiben’ny mpiraki-draharaha sy ireo mpiara-miasa aminy. Efa nisy ny fanadihadiana natao, omaly, saingy tsy mbola fantatra mazava ireo tompon’antoka. Ireo mpiasa misahana ny fiandrasan-draharaha, niditra vao maraina, no nahita ny fahavakisan’ny varavarana. Taorian’izay vao nampilaza ny lehibe isan’ambaratonga.
Tsisy very
Tonga teny an-toerana ny polisy misahana ny fikarohana ady heloka bevava notarihin’ny kaomisera Rajaobelina Herizo. Anisan’ny mitarika ny fanadihadiana. « Tsy nisy antontan-taratasy na zavatra very. Tsy nisy nipika na penina iray akory aza tao amin’ny birao. Torak’izany ny fitaovana rehetra », hoy ny fanazavan’ity kaomisera ity.
Tombanan’ireo mpanao fanadihadiana ho fikasana hibata ny vatavy mihidy, fitoeram-bola sady fitahirizana ireo basy poleta tratra tany amin’ireo jiolahy ka giazan’ny fitsarana ity zava-nitranga ity.
Nivoitra tao anatin’ny famotorana savaranonando koa fa mety ho olona efa mahay tsara ny momba ilay birao no nahavanon-doza. Mahafantatra tsara koa ireo olon-dratsy fa tsy ao an-toerana ny lehiben’ny mpiraki-draharaha. Ity farany izay lasa niala sasatra any Atsimo Atsinanana. Ankoatra ny polisy misahana ny ady heloka bevava, tonga teny an-toerana ihany koa ny zandarimariam-pirenena, tamin’ny alalan’ny borigadin’ny alika mpitsongo dia sy manam-pahaizana amin’ny fikarohana fandikan-dalàna toy izao.
Sajo/J.C