Fahombiazana tanteraka no azon’i Tendrinavalona Tendry Diaritiana, nandritra ny fifaninanana taranja lomano, tany Thaïlande. Medaly volamena roa sy volafotsy iray no norombahiny nandritra izany, teo amin’ny sokajy 50m, 100m ary 200m dos. Tsy vitan’izany fa nahavita nanatsara ny fe-potoana tsara indrindra ihany koa izy tamin’ity fifaninanana ity. Zava-bita tsara indrindra 3 no indray montsany, teo amin’ny 100m, 200 m dos ary 200m papillon. Ankoatra izay, fanatsarana fe-potoana valo be izao no vitany. Fivoarana lehibe ho an’i Tendry izao vokatra azony izao, raha ny nambarany ary mioty ny ezaka nataony, mandritra ny fiofanana ataony any Thaïlande, sahady izy, na dia mbola misy volana maromaro aza hiatrehany izany any an-toerana. Marihina fa anisan’ny Malagasy mpilomano hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja lomano, any Doha, ny volana febroary 2014 i Tendrinavalona Idealy, miaraka amin’i Raharvel Jonathan. Fifaninanana anisan’ny hahazoana tapakila hiatrehana ny “lalao olympika 2024”, any Paris, ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity.
Mi.Raz