Madirovalo: dahalo iray lavon’ny zandary

Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana ny dahalo raindahiny iray tao  amin’ny fokontany Ambahivaha, kaominina Madirovalo, ny alin’ny 26 desambra teo.  Nanara-dia io mpangalatra omby io sy ny namany ny zandary miasa ao an-toerana. 2 km mivoaka miankandrefana ny tanàna, raikitra ny fifandonana mahery vaika tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nihemotra ny zandary. Vokany, voatifitra ny dahalo iray fantatra amin’ny solon’anarana hoe “Dolla”. Efa nokarohina hatry ny ela tao amin’ny kaominina Madirovalo sy ny manodidina izy. Mpandray anjara amin’ny halatra omby ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankirihitra, distrikan’Ambato-Boeny. Mitohy ny fikarohana ireo naman’io dahalo io tafaporitsaka.

Tsiferana R.

Partager sur: