Natsahatra ny fanodinana ireo vary 50 kaontenera simba ao Mahajanga taorian’ny resabe niely teny anivon’ny fiarahamonina.
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha momba ilay vary simba 50 kaontenera mitoby ao amin’ny orinasa Vison Madagascar,Vima, (Sotema taloha), ao Mahajanga. Niely ny feo fa haparitaka eny an-tsena ireo vary ao anaty gony ireo. Nilaza ny talem-paritry ny Indostria sy ny varotra ao an-toerana, Lambo Mbolanirina Nadia, fa “tsy mbola miparitaka ary tsy mbola ahitana ireo vary ireo ao Mahajanga.” Tsy mbola nivoaka ny toerana misy azy ihany koa ireo vary simba. Misy ny lamina hentitra hanarahana maso izany, hoy ny fanazavany. Voamarina fa simba ireo vary ireo ka tsy azo hohanina intsony.
Dingana natao, nanomboka ny alarobia 20 desambra teo, ny fanodidina azy ho zezika. “Niarahana tamin’ireo tomponandraikitra isan-karazany avokoa ny hetsika rehetra natao teto an-toerana”, hoy hatrany ny talem-paritry ny Indostria sy ny varotra ao Mahajanga. Natsahatra nanomboka omaly, araka izany, ny fanodinana rehetra ary savaina avokoa ireo fiarabe mivezivezy ao an-toerana
Fanjifana
Mahatratra 32 ha ny toerana misy ny Vima ary mampanofa trano fanatobiana entana hatrany amin’ny 60.000 m2 amin’ireo mpanofa samihafa ny orinasa. Tsy tomponandraikitra ary tsy mpanara-maso ireo mpanofa ny orisana saingy miantoka ny filaminana sy ny fiambenana ny toerana, hoy ny loharanom-baovao iray. Ankoatra izay, mbola anatin’ny vanim-potoana ny fety isika izao, mitombo ny fanjifana ka tokony hijery akaiky ny tranga toy izao ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. “Manentana ny rehetra izahay mba hampandre ny manam-pahefana na ny mpitandro filaminana raha mahita tranga mampiahiahy”, hoy i Gabin, filohan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ao Mahajanga. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Henintsoa Hani