MPL Madagasikara: “Tokony havitrika amin’ny politika ny tanora”

Nitondra ny heviny manoloana ny toeran’ny tanora eo amin’ny fiainam-pirenena ny eo anivon’ny “Mouvement panafricain des leaders – MPL “, tarihin-dRazafindrazaka Stéphane. Nambarany fa tsy tokony hitazam-potsiny ny tanora.  “Aoka isika hiditra an-tsehatra mivantana eo amin’ny lafiny politika na ny fiainam-pirenena ankapobeny mihitsy“, hoy izy. Niaiky anefa ny tenany fa mbola maro amin’izy ireo no tsy sahy mandray andraikitra. Tahotra ho an’ny tanora matetika ny tranga niseho nialoha sy ny nandritra ny fifidianana farany teo. “Maro ireo tanora tsy niteny na naneho ny heviny nefa tokony havitrika satria tena maro anisa isika“, hoy ihany izy.

Etsy andaniny, mahatsapa ny MPL Madagasikara fa hadinon’ny mpitondra fanjakana ny tanora ary tsy nisy ny vahaolana matotra natao ho azy ireny. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny tsy fananan’ny tanora asa. Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra samy tsy afa-bela amin’izany. Olana koa anefa ny tahotr’ireo mpampiasa vola tokony ho avy manoloana ireo tanora tokony hiasa. “Tsy ampy na lavitry ny fahaiza-manao sy ny kalitaon’ny asa takina izy ireo nefa tokony hararaotina ny fanofanana tokony ho azon’ireo tanora“, hoy izy. Nanteriny fa efa misokatra manerana an’i Afrika sy eto amintsika ny fampahafantarana ny soa fanararaotra eo amin’ny tontolon’ny asa, iarahana amin’ny MPL Madagasikara.

Synèse R.

Partager sur: