Hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena avokoa ireo Makis de Madagascar, sokajy rehetra, lahy sy vavy, amin’ny taom-pilalaovana 2024. Fotoan’ny asa, araka izany, io taona vaovao io, ho an’ny Malagasy Rugby ka hametrahany fanamby goavana.
Tsy misy fotoana hialana sasatra ny Makis de Madagascar, eo amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena hatrehina ho an’ny taona 2024. Hiditra an-tsehatra amin’izany avokoa ireo sokajy rehetra manomboka any amin’ny zandriny ka hatrany amin’ny lehibe, na lahy na vavy. Hisantatra izany ny Makis U-16 sy U-18, lehilahy, ary ny U-16, vehivavy. Hiady ny ho tompondakan’ny firaisamben’ny rugby aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AROI) izy ireo. Fihaonana hotanterahina atsy La Réunion, ny 8 sy ny 9 marsa ho avy izao.
Hisy ny lalao Afrikanina hatao any Ghana, ny 8 ka hatramin’ny 23 marsa 2024. Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny ho fandraisan’i Madagasikara anjara. Ankoatra izay, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 (Can 2024) ny Makis de Madagascar, sokajy «sénior» lahy sy vavy.
Hanamarika ny taona vaovao ny fiverenan’ny Makis de Madagascar «sénior », lehilahy, eo amin’ny rugby lalaovin’olona 15. Hifanintsana sy hiady toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2027, any Australie, ry zalahy. Hatao ny volana novambra ny dingana voalohany amin’izany.
Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, fa ezahin’ny federasiona hatrany ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny lalao rehetra. Nomarihiny fa tsy niala an-daharana mihitsy ny Makis hatramin’izay. Ny ezaka nataon’ny Malagasy Rugby, niaraka tamin’ireo mpanohana sy ny mpiara-miombon’antoka no nahatanteraka izany. Miantso ny fanjakana ny tenany hijery ny Makis amin’ireo lalao hatrehiny. “Voninahi-pirenena no harovana fa tsy ny federasiona”, hoy izy.
Tompondaka