Hotanterahina anio 28 sy rahampitso 29 desambra, ny fifaninanana basikety 3X3 “Agnambahy mifety”, andiany fahatelo. Fifaninanana karakarain’ny ligin’Atsimo Andrefana, hatao ao amin’ny CEG Farafangana, manomboka amin’ny 8 ora maraina ny lalao.
Nanomboka omaly 27 desambra ny fiofanana ho mpitsara sy mpanazatra eo amin’ny taranja volley-ball. I Fianarantsoa no nisitraka izany izay omen’ny Federasiona malagasin’ny Volley-ball. Hitohy anio 28 sy rahampitso 29 desambra izany fiofanana izany.
Fifaninanana miisa telo no tontosa tamin’ity fetin’ny Noely ity, ho an’ny tranja Judo. Nisy ny fifaninanana “interclubs” nokarakarain’ny klioba efatra eto Antananarivo. Nisy ihany koa ny “Tournoi de Noël” miisa roa tany amin’ny faritra Atsinanana sy Vakinankaratra.
Mitana ny laharana voalohany maneran-tany eo amin’ny taranja Judo, sokajy Junior –70kg, Rasoanaivo Laura, tamin’ity taona 2023 ity. Efa anisan’ny hiatrika ny ” lalao olympika 2024 ” any Paris, ity Malagasy Judokas ity, raha tsy misy ny fiovana.