Tae-kwon-do: lany ho filohan’ny ligy i Franck Tiana

Ora iray sy sasany ny faharetan’ny fivoriambe ara-potoana sy nifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga, taranja tae-kwon-do WT, omaly, tao Andravoahangy. Mbola lany hitantana fanindroany Rakotomanana Franck Tiana. Tsy nisy afa-tsy roa ireo kandidà nifaninana: izy sy Rasolofo Herinirina Jocelyn, filoha lefitry ny ligy teo aloha. Tonga nandatsa-bato avokoa ireo seksiona dimy, Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo ary Manjakandriana. Nahazo vato efatra ny filoha Franck Tiana raha iray monja ny an’i Herinirina, mpifanandrina taminy.

“Fanavaozana entina amin’ity ny fametrahana ireo klioba ho ara-dalàna mba hananan’izy ireo taratasy hiasana sy ny “licence” ho an’ireo mpikatroka. Hiady ho an’ireo klioba niala mba hiverenany indray. Hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny federasiona. Hiteny fotoana ny ligin’Analamanga raha mahita zavatra tsy mety satria tanjona ny fampandrosoana ny tae-kwon-do”, hoy izy.

Notsiahiviny fa nahatsangana klioba 3 izy tamin’ny taom-piasana teo aloha ary ezahina ampiana izany. Nahazo  “quitus” 100% ny tatitra ara-bola sy teknika nataon’izy ireo. Nanatrika ny fotoana ny solontenan’ny minisitera sy ny federasiona. Ho fantatra afaka roa herinandro ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny ligy.

Torcelin

Partager sur: