Taratry ny kanto

Hanakatonana ny taona, hanatanteraka antsa malalaka ireo mpanoratra sady mpiantsa tononkalo. Hetsika ho an’ny literatiora, hotanterahina ny alahady 31 desambra, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny « park botanique » Tsimbazaza. Asaina avokoa ireo tia miantsa, manoratra, mihaino ary miaina ao anaty tononkalo, raha ny nambaran’ny mpikarakara.

Mbola sarotra ho an’ny mpanakanto malagasy sasany ny hanaiky fa ilaina ny mianatra sy mandalina mba hampitombo ny fahaizana sy fahalalana voajanahary na ny talenta. Matetika, raisin’ny mpanakanto malagasy ho fianarana nentin’ny vahiny izy ireny, hany ka malaina ny hianatra izany izy ireo. Faharoa, mifantoka mafy ao an-tsain’izy ireo fa ampy ny talenta voajanahary.

Fetin’ny faran’ny taona. Nahitana fihenana ny lanonana famaranana ny taona sy fandraisana ny taona vaovao tamin’ity taona ity. Anton’izany ny tsy fahasahian’ny mpikarakara lanonana manao izany noho ny tahotry ny ho fatiantoka. Araka ny nambarana mpikarakara lanonana iray. Sahirana ny olona ka tsy laharam-pahamehana intsony izany, sao tsy mahaleo ny sarany ny vidiny.

Hosodoko. Hanolotra fampiofanana ho an’ireo mpisehatra sy liana amin’ny tontolon’ny hosodoko ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC. Hanomboka ny 10 janoary 2024, eny anivon’ny Tranombokin’ny boriborintany tsirairay avy izany fiofanana izany. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny kanto sy ny fanabeazana amin’ny haikanto ny hetsika.

Partager sur: