Tranga

Lehilahy iray maty voatsatok’antsy tetsy Ambatomirahavavy, ny faran’ny herinandro. Mpiambina no asany. Natory tao amin’ny trano andalam-panamboarana hiasany, araka izany, izy.  Nipotsaka ny tsinain’io lehilahy io noho ny vono nahazo azy. Tsy nisy nipika anefa ny vola 470 000 Ar napetrak’olona tao aminy.

Karohin’ny mpitandro filaminana ilay mpamily ny kamiao nitondra rongony 487 kg tao Antsirabe, amin’izao fotoana.  Sarona ny fiara nentin’io lehilahy io, ny herinandro lasa teo. Efa nogiazan’ny zandary ny rongony am-polony tamin’ny gony sy ny kamiao.

Nalevin’ny fianakaviany omaly, ilay tovovavy hita faty niharan’ny famonoana nataon’olon-dratsy tao Vohitsaivo, kaominina Alakamisy Itenina, faritra Matsiatra Ambony. Nesorin’ireo tsy mataho-tody ny voamason’io vehivavy io. Nariana tao anaty ala ny fatiny.

Namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray voadonan’ny fiara tao Antanamivony, kaominina Betsiaka, distrikan’Ambilobe (RN5A), ny faran’ny herinandro teo. Voa mafy teo amin’ny faritry ny lohany izy ka nanao sarotra ny fanavotana azy. Tsy tana ny ain’io tra-doza io rehefa teny an-dalana hihazo ny hopitaly.

Partager sur: