asa any canada: tratra ireo vehivavy mpisoloky

Voasambotry ny polisy misahana ny cybercriminalité teny 67 ha, afakomaly, ireo vehivavy roa malaza ratsy amin’ny fisolokiana olona halefa hiasa any Canada. Vehivavy efatra no efa lasibatr’izy roa vavy mpisoloky ireo. Nilaza izy ireo fa afaka mandefa olona hiasa any Ca­nada. Resy lahatra ireo olona solokiny ka tapa-kevitra ny hikararaka ny antontan-taratasy any amin’ny mpiandraikitra izany izay mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ha­trany. Miten­tina 1 400 000Ar isan’olona ny vola alain’izy ireo. Vola manodidina ny 6 tapitrisa Ar no efa azon’ireto mpisoloky ireto, araka ny fanazavan’izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Rehefa voaray ny vola, omeny taratasy fampiantsoana (convocation) ireo handeha hiondrana hiasa mba hanaovana « entretien d’embauche ». Rehefa nandray ny taratasy fampiantsoana anefa ireo voasoloky vao nahatsikaritra fa taratasy tsy manan-kery no voaray fa taratasy efa voaomana mialoha tamin’ny alalan’ny scan.
Maro ireo efa voasoloky…

Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny cybercriminalité Anosy ireo voasoloky nilaza ny zavatra nanjo azy. Nandray ny andraikiny ny polisy ka niroso tamin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Niafara tamin’ny fahatrarana ireo mpisoloky teny 67 ha izany taorian’ny vela-pandrika nataon’ny polisy. Niaiky izy ireo fa hosoka avokoa ireo taratasy nampiasainy tamin’ny fisolokiana ireo olona hakany volabe. Maro ireo olona efa voasolokin’izy ireo, ankoatra ireo efa nametraka fitoriana teny amin’ny polisy. Olona avy any amin’ny faritra ny ankamaroan’ireo voasoloky ka efa misy toerana hametrahan’izy ireo mialoha ny fiondranana. Nanamafy ny polisy fa tokony ho mailo amin’ny fisian’ireo mpisoloky milaza fa afaka mandefa olona hiasa any ivelany. Tato ho ato rahateo mirongatra mihitsy ity resaka fisolokiana ity, indrindra ny resaka fampiasam-bola.

J.C

Partager sur: