Eric Arnaud: hampiofana momba ny taosary

Hizara ny fahaiza-manaony momba ny tao sary i Eric Arnaud. Hotanterahina eny amin’ny Academie nationale des arts et de la culture (ANAC), Anosy izany, manomboka ny 13 janoary 2024. Hampahafantarina sy ho halalinina mandritra izany ny fahalalana fototry ny fanaovana sary. Tanjona ny hahamatihanina sy hampiroboroboina ny fanaovana sary. Hanosehana ireo manan-talenta mba ho matihanina kokoa.
Hahazo tombony avokoa ny mpiangaly sy mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny tao sary. Hiompanan’ny fampiofanana rahateo ny mahakasika ny fototra amin’ny fanaovana sary, ny “Por­trait/ Pay­sa­ge”, ny “Notan”, ny “Drapé”, ny “Gesture Drawing”, ny “Anatomie” ary ny “Portfolio”. Tafiditra ao anatin’ny fototra ahafehezana ny fa­na­ovana sary, indrindra ny sary vita amin’ny tanana ireo teknika hiofanana ireo. Ny fahatsapana ny firoboroboan’ny fanaovana sary sy ny fisian’ireo mpanatalenta marobe no nahatonga ny ANAC hanatanteraka ity tetikasam-piofanana ity.
Marihina fa efa mpampianatra i Eric Arnaud, matihanina amin’ ny fanaovana sary atao tanana.

Lin

Partager sur: