Fampandrosoana ny haikanto: tsy ampy fitaizana sy fanabeazana ara-javakanto ny Malagasy

Somary mandeha ila ny haikanto eto Madagasikara. Maro ny mpahay kanto. Betsaka ny vokatra saingy vitsy ny mankafy sy manjifa. Misy fiantraikany ratsy amin’ny mpanakanto izany.

Mihamaro hatrany ny ivontoerana fandalinana sy fampiroboroboana ny haikanto. Manaraka izany ny fitombo­an’ny mpahay kanto vokatry ny famohazana ny talentan’izy ireo amin’ny toerana voatokana tahaka izany. Tsy mifanaraka anefa ny tolotra sy ny tinady. Maro ny mpahay kanto, mitobaka azo isafidianana ny haikanto hifampizarana. Indrisy! Tsy mifanentana ny fanjifana sy ny famokarana. Vitsy ny manjifa sy mankafy ny ezaka ataon’izy ireo. Maro ny antony mahatonga izany. Andaniny ny fameran’ny mpamokatra ny olona tokony hanjifa ny vokany. Efa voafetra ny sokajin’olona afaka ny handray sy hankafy izany. Ankilany, misy ny mpanjifa, mamaritra mialoha ny fitiavany sy ny fironany amin’ny haikanto ho raisiny sy ho jifainy.

Manankarena
nisan’ny firenena manankarena haikanto sy talenta i Madagasikara. Ohatra ny eo amin’ny sehatry ny hosodoko. Maro ny varotra sy fampirantiana hanehoan’ny mpanao hosodoko ny asa tanany. Vitsy anefa no tonga mitsidika azy ireny. Zara raha misy, azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny mividy. Tsy fahampian’ny fifandraisana amin’ny mpahay kanto sy ny mpanjifa, amin’ny alalan’ilay vokatra, no tena mampikatso ny sera sy ny varotra. Matetika tsy takatry ny olon-tsotra ny hafatra tian’ny mpahay kanto havoaka amin’ny alalan’ny asa tanany. Vokany, heverin’ny olona ho tsy misy dikany izany. Hany ka kamo ny hamoaka vola ny mpitsidika.
Araka ny nambarana mpahay kanto iray, misehatra amin’ ny fanaovana hosodoko, an­ton’izany ny tsy fisiana sy tsy fahampian’ny fanabeazana sy fitaizana ara-javakanto ho an’ny Malagasy. “Rehefa mety amin’ny maso sy mahafinaritra ny sofina fotsiny dia ampy ny Malagasy. Tsy ao anatiny ilay toe-tsaina sy toe-po hanakatra sy handalina ny hevitra fonosin’ny haikanto iray, izay mbola tsara lavitra noho ny hitan’ny maso sy ren’ny sofina”, hoy ity mpahay kanto ity.

Mila fanabeazana
Olana iray mahatonga ny Malagasy ho marisarisa amin’ ny fanjifana ny haikanto ihany koa nefa ny tsy fahampian’ny mahamatihanina ny mpahay kanto. Misy ny tsy mahafehy tsara ny haikanto iangaliany. Misy ireo mpaka tahaka be fahatany ny avy any ivelany. Tsy mifanaraka sy tsy mety amin’ny hodidina eto Mada­gasikara izany. Aleon’ny olona mijery fotsiny fa tsy mety latsa-pitiavana ka hanjifa.
Manoloana izany, tsy azo atao ambanin-javatra ny fanabeazana sy fitaizana ary fampianarana ny Malagasy ara-javakanto. Vontoatin’izany ny fampahafantarana ny mpanjifa ny tena lanjan’ny zavakanto eo amin’ny fiainany manokana sy ny fiarahamonina ankapobeny. Mifanindran-dalana amin’izay ny fampianarana ny mpahay kanto mba hahafehy ny teknika hampitana ny hafatra tiany ho voizina any amin’ny vondron’olona kendreny.

Lin

Partager sur: