Kick – “Mondial 2024” : nofoanana ny fifaninanana saika hatrehan’i Rojo

Voatazon’ny klioba any Chine hiatrika ady matihanina mandritra ny iray taona i Rojo, Malagasy mpikatroka. Ny “Mondial 2024” no fifaninanana voalohany saika hatrehany saingy nofoanana izany.

Malagasy mpikatroka, taranja kick-boxing, miatrika ady matihanina any Chine, i Rojo. Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpikatroka tokony handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, saika hatao ny 7 janoary 2024 izy. Noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana anefa, izay nahitana mpikatroka tsy ara-dalàna, voatery nofoanana ity fifaninanana goavana ity.
Teratany Sinoa, sokajy la­tsaky ny 61 kg no voasarika hifaninana aminy. Tsiahivina, niatrika fitsapana sy andrana i Rojo, ny herinandro teo. Notazomin’ny klioba matanjaka iray ao Chine, antsoina hila ravinahitra any an-toerana, rehefa hitan’izy ireo ny traikefany. Mandritra ny herintaona ny fifanarahana nataon’ny roa tonta. Afaka miatrika fifaninanana matihanina maro i Rojo.
Efa nandoa 50 000 yuan tamin’ny klioba Kintana Rojo Crew, io klioba any Chine io na dia nofoanana aza ity fifaninanana saika hatao ny 7 janoary ity. Efa misy ady matihanina hafa miandry an’i Rojo, ny faran’ny volana janoary 2024. Tsy mitsahatra ny fanomanantenany sy ny kotrana ahafahana miatrika tsara izany, araka ny nambarany.
Marihina fa ady matiha­nina, handraisam-bola, no hataon’i Rojo any Chine. Ny fiandohan’ity volana desambra ity izy no nihazo any an-toerana. Niantoka ny fandaniana sy ny fandehanany ny filoha tale jeneralin’ny Zana­kala.

Mi.Raz

Partager sur: