Ao anatin’ny fikarakarana ny hetsika «Mozika an-dalambe 2.0», ny tomponandraikitra amin’izany, amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, fizarana mozika mandritra ny vanim-potoanan’ny Noely sy ny taona vaovao izy ity, izay atao eny an-dalambe, ho fizarana sy fifampizarana hafaliana amin’ireo olona sahirana eny. Eny Antaninarenina, ny 30 desambra 2023 no kasain’ny tomponandraikitra hanaovana izany. Tanjona ny hanampiana ny eny an-dalambe hahafahany manao fety sahala amin’ny olon-drehetra.
Fifampizarana hafaliana amin’ny alalan’ny mozika ny hetsika «Mozika an-dalambe 2.0», izay karakaraina sy tontosaina vondrona tanora mpanatalenta eo amin’ny mozika. Maimaimpoana tanteraka ny fandraisana anjara ny fanatrehana ny hetsika. Hisy kosa anefa ny rakitra izay foy entina hanampiana ireo olona sahirana, monina eny an-dalambe. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, ividianana sakafo na lamba fitafy ho an’ny eny an-dalambe ny vola azo amin’izany.
Misy ny antso avo ataon’ny tomponandraikitra ahafahana manatontosa izany hetsika izany. Anisan’izany ny miantefa amin’ny mpahay kanto samihafa. Eo ihany koa ny fampitaovana ny hetsika. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika, efa misy ny mpahay kanto sy ny fitaovana hanatontosana ny hetsika saingy mba hahalavorary ny seho no anaovana izao antso izao, ahafahana tena mifampizara hafaliana.
Lin