Raharaha depiote Manakara: mpanao gazety nosamborina !

Nosamborin’ny polisy avy aty Antananarivo ny mpanao gazety Rakotomalala Rossignol, miasa any Manakara. Voalaza fa niditra antsokosoko tamin’ny kaonty  Facebook-n’ingahy depiote izy. Manara-maso akaiky ny Holafitry ny mpanao gazety.

Tsy nampoizina ! No­samborina omaly folakandro, ny mpanao ga­zety, Rakotomalala Rossignol, miasa amin’ny Radio Zana­gasy ao Manakara. Polisy avy aty an-drenivohitra no naka azy tany an-toerana. Voala­zan’ny taratasy nentin’ny mpitandro filaminana fa fanalam-baraka sy fidirana antsokosoko ary fisandohana ny kaonty tambajotran-tserasera facebook-n’ny solombavambahoakan’i Madagasi­kara, Ramaro­son Bonaventure, voafidy tao amin’ny distrikan’i Manakara, no nisamborana azy.
Tsiahivina fa niteraka re­sabe teo amin’ny tambajotran-tserasera ny teny « ma­moa­fady » voasoratra tamin’ny fi­rariantsoa sy fiarahabana ni­voaka tamin’ny kaontin’ity olom-boafidy ity noho ny Noely.

Manara-maso
Manoloana ny fisamborana, namoaka fanambarana avy hatrany ny eo anivon’ny Ho­lafitry ny mpanao gazety. Ma­namafy ny fanambarana fa manara-maso akaiky ny fivoaran’ny raharaha izy ireo. Vo­nona ny handray ny andraikitra manandrify azy, araka ny voafaritry ny lalàna, raha toa ka misy antsojay politika ao ambadik’izao trangan-javatra izao. Nisy rahateo ny fifampiresahana nataon’ny biraon’ny holafitra any amin’ny faritra Fitovinany sy ny polisy mba hijerena vahaolana amin’ny raharaha saingy nanda ireto mpamita iraka.
Mialoha ny fisamborana dia naharay antso ny mpanao gazety ao Manakara fa hisy ny fihaonana hiresahana momba ny raharaha Facebook-n’ingahy depiote. Rehefa vory ny rehetra, nipoitra ny mpisambotra. Nentina niakatra avy hatrany ilay mpanao gazety.
Niezaka naka ny hevitry ny solombavambahoaka ny gazety halina, saingy tsy nahazo azy. Ny Polisim-pirenena no nanamafy fa tena nisy ny fitoriana sy fisamborana. Nandefa iraka ny avy amin’ny sampana miady amin’ny heloka ana habaka manana ny foibeny etsy Anosy.
Manoloana ny fisamborana natao ny mpanao gazety dia maro ny nanome tsiny sy nitondra ny heviny tao Manakara. Mampametra-panontaniana ny mponina any an-toerana ny nitondrana ilay mpanao gazety aty an-drenivohitra hatao famotorana fa tsy any an-toerana. Tantara mitohy

J.C

Partager sur: