Raharaha vary simba : olona fito naiditra am-ponja vonjimaika

Naiditra am-ponja vomjimaika ao Marofoto, Mahajan­ga ireo olona fito voarohirohy ta­min’ny fanadiovana ilay vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga. Anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasa­rin­gotra ta­min’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ary ny mpibata entana roa lahy. “Nampidinina afakomaly kosa ireo vary simba tao anaty fiarabe miisa dimy”, hoy ny zandary misahana ny famotorana. Na­hitana vary 702 isa anaty gony fotsy mivadika ny fiarabe iray raha toa ka 711 anaty gony fotsy mivadika ny iray hafa. Mbola mivadika ihany koa ireo vary 461 tao anaty gony ta­min’ilay fiara fahatelo ary misy soratra VARY TSARA kosa ireo tao anaty gony 230 isa. Fantatra fa gonim-bary 700 ny tao anatin’ilay fiara fahefatra izay efa tao anatina gony fotsy mivadika ihany koa. Ny farany nahitana 206 gony fotsy mivadika ary 206 gony mavo.
Fanazavana

Nampidinina ka nogiazan’ ny zandary sy ny talem-paritry ny varotra ao Boeny ary ireo solontenan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana anaty efitrano lehibe iray ireo vary sim­ba. Ireo fiarabe dimy saika hitatitra izany kosa mbola ao amin’ny orinasa Vision Mada­gascar (Vima) ambenan’ny zandary. Tsiahi­vi­na fa tonga tao amin’ny se­ranan-tsam­bon’i Mahajanga tamin’ny taona 2017 ireo vary 50 kaon­tenera nafarana ireo saingy tsy naka izany ireo orinasa mpanafatra noho ny antony manokana.

Henintsoa Hani

Partager sur: