Maharesy lahatra an’i Mathias Lozano, mpanazatran’ny AC Arles France Regional 1, ny fahaizan-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, efa nahatafiditra baolina iray Rakool, nandritra ny lalao roa nataony.
“Mpilalao manana kalitao hafa sy tsotra i Koloina, anisan’ny tena mampiavaka azy ny tongotra haviany”, hoy i Mathias Lozano. Nomarihin’ity mpanazatra ity fa tokony hiezaka mafy izy amin’ny resaka vatana sy tanjaka. Eo amin’ny toeran’ny lohalaharana no nametrahan’ity frantsay teknisianina ity an-dRakool.
Tsiahivina fa mpilalao niainga tao amin’ny Five FC Rakool, ary nanomboka nisongadina rehefa nalain’ny CFFA Andoharanofotsy. Tena nampalaza azy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan Algérie 2022”. Tsiahivina fa efa nalain’ny Mouloudia AC Algérie, Rakool tamin’ity taom-pilalaovana ity. Tsy nahafapo ilay ekipa alzerianina ny vokatra nentiny sy ny filalaony ka namidy sy nalain’ny AC Arles any Frantsa ny tenany.
Randria