Nogiazan’ny zandary miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, ny rongony milanja 150 kg, tao amin’ny fokontany Ambobaka, ny alin’ny 26 desambra teo. Ny marain’ ny alarobia 27 desambra teo tamin’ny 05 ora, andian-jatovolahy nilanja rongony amin’ny gony no nifanehatra tamin’ny zandary. Nandositra avy hatrany ireo lehilahy ireo rehefa nahatazana ny zandary. Natsipin’izy ireo tamin’ny tany ny entana tao anaty gony. Nojeren’ny manam-pahefana avy hatrany ny gony miisa folo ka sarona ny rongony. Nanahy ny hetsika hikarohana ireo tompon’antoka tamin’ny fitaterana sy fikasana hanaparitaka io rongony io ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao an-toerana, io andro io ihany. Nogiazana ary nodorana kosa ireo zava-mahadomelina.
Tsiferana R.