Nidina ifotony, nitsirika sady nanohana ara-teknika ny mpiompy trondro any amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny tomponandraikitra ao amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsimo Andrefana, ny 24 desambra 2023 teo.
Narahi-maso sady nomena tolo-kevitra ara-teknika ny mpiompy trondro, ahafahany manatsara ny seha-pihariany. Telo ny mpiompy trondro notsidihina, ka anisan’izany i Stephan, manana dobon-trondro fiompiana tilapia miisa sivy, nisehatra nanomboka ny taona 2019.
Miisa telo ihany koa ny dobon-trondron’i Delson Aristide, ary roa ny an’i Ceslon, ka hiompiny tilapia ny iray, ary karpa ny faharoa.
Marihina fa vao nampiditra zana-trondro tilapia sy karpa miisa 350 i Ceslon, ny 6 novambra teo. Tsapan’ny teknisian’ny DRPEB Atsimo Andrefana fa olana fototra ho an’ny mpiompy trondro ny tsy fifehezana na ny tsy fahampian’ny rano. Nomena vahaolana amin’ny fomba fitantanana izany rano izany izy ireo. Notoroana hevitra ara-teknika ankapobeny koa ny mpiompy, sy ny momba ny sakafon’ny trondro. Naneho ny fahavononany hanatsara ny fihariany izy ireo, taorian’izany rehetra izany.
Njaka A.