TARATRY ny KANTO

«Tany vaovao». Tanterahina eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimboahoaka, ny tolak’ andron’ny 6 janoary 2024, ny fampirantiana « Nouvelle terre, Tany vaovao ». Mpahay kanto miisa 5, samy manana ny mampiavaka azy, no miara-misalahy amin’ ny fanatontosana izany.

“Takarivan’Iarivo”. Hisy ny hetsika “Takarivan’Iarivo”, tanterahina eny amin’ny Avenue Analakely, anio sy rahampitso. Hetsika ahitana kilalao sy fanentanana maro samihafa, karakarain’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hetsika efa fanaon’ny kaominina izy ity saingy hiavaka kely noho izao vanim-potoana faran’ny taona izao.

Hisy ny hetsika fahatsiarovana an’
i Ndrematoa, mpanao sary nanana ny naha izy azy teo amin’ny sehatry ny tantara an-tsary. Ny IFM Analakely no mikarakara izany. Ny 9 hatramin’ny 31 janoary 2024 no hanaovana azy, hampirantiana ireo sary sy sarimihetsika nataony, nandritra ny 30 taona niseharany teo amin’ny tantara an-tsary.

“Haiku”. Efa tonga ny “Haiku”. Izy ity izay tononkalo miavaka sy mampiavaka ny Japonais. Anisan’ny mampiavaka azy ny fanononana ny teny sy andininy ao anatin’ny poezia. Eny amin’ny fampirantiana “Nous sommes”, eny amin’ny Cité Platon Ampandrana, no ahitana ny fampahafantarana azy.

Partager sur: