Natolotra omaly, tetsy Andohatapenaka, ny valin’ny fifaninana ho an’ireo fikambanam-behivavy ao anatin’ny fokontany 10 hiasan’ny tetikasa tohanan’ny Développement et paix Canada, eto an-drenivohitra. Nokarakarain’ny «Programme de solidarité Andohatapenaka et Environnement» (PSAE), eo anivon’ ny CDA izany tetikasa izany. Sivy ireo fikambanam-behivavy nandray anjara. Nahazo ny loka mendrika, manodidina ny 8 000 000 Ariary avy, ny fikambanana efatra tamin’izy ireo. Toy ny fikambanana Miharisoa, avy ao Ambodirano, misehatra amin’ny fitantanana WC public, ny fikambanam-behivavy Mahery, ao amin’ny fokontany Andohatapenaka II, misehatra amin’ny fananganana tetikasa «Arimbao».
Eo koa ny tetikasa famokarana sy fivarotana savony eo anivon’ ny fokontany Andohatapenaka I. Ny tetikasa “Miangaly», ao amin’ ny fokontany Andavamamba Anjezika II, izay manao ny asa tanana peta-kofehy sy ny karazana zaitra isan-karazany. Nahazo tohana ho fanombohana ny tetikasa kosa ny fikambanam-behivavy dimy ambiny. “Fepetra notakina tamin’ireo mpandray anjara ny maha mendrika ny tetikasa. Izay mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny zava-misy eny anivon’ny fokontany honenany”, hoy ny développeur d’activité, eo anivon’ny tetikasa “Psae”, Randriamamonjy Anna Manoa.
Mino