Miantso ny fitondram-panjakana manomboka amin’ny filohan’ny Repoblika, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny SEG, ny fianakavian’ilay lehilahy matin’ny zandary tao Mahitsy, ny 14 desambra teo. Nanangona sonia ny fokonolona mpiara-monina fa tsy dahalo velively io lasibatra io. “Tsy jiolahy velively ny zanakay, ary tsy tokony novoinoina izy satria azo sambo-belona fa tsy nandositra”, hoy Rakotovelonjara Jean, rain’io lehilahy maty io.
Takalonaina iray avotry ny mpitandro filaminana teny am-pelatanan’ny dahalo tao amin’ny kaominina Marotsialeha, distrikan’Ambatomainty, faritra Melaky, omaly. Nentin’ny dahalo niaraka tamin’ny omby 50 io mpiandry omby io, ny 27 desambra teo, tao amin’ny fokontany Ampany, tamin’ny 10 ora maraina. Tratra ireo olon-dratsy ka navelany ilay takalonaina sy ny omby ary nanao tari-dositra izy ireo.
Mpamaky trano roa lahy saron’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny tao Antsohihy, afakomaly. Nifampiraharaha malalaka tamin’ny mpiambina ny trano izy mirahalahy ka niditra mora foana tao amin’ny tanàna. Nampandre ny mpitandro filaminana anefa ilay mpiambina ka noraisim-potsiny ireo roa lahy.
Tsy naharesy tosika ny mpitandro filaminana nanara-dia azy ireo dahalo nangalatra omby tao amin’ny kizo Bedrano, kaominina Soahany, distrikan’Antsahalova, omaly. Nangalatra omby miisa enina tao amin’ny tanànan’Andombomaty-Besary ambany ireo olon-dratsy. Nanao hazalambo niaraka tamin’ny fokonolona ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fifandonana. Tafaverina ny omby rehetra. Vaky nandositra ireo mpangalatra.