Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Atsimondrano teny Ampanefy, omaly, ny jiolahy iray tompon’antoka tamina halatra kisoa. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana trangana halatra biby fiompy ao amin’ny faritra Ambohidronono, kaominina ambanivohitr’Ampanefy. Ireo kisoa no tena lasibatra amin’izany. Tsy mety tratra rahateo koa ireo mpangalatra, raha ny fitarainan’ireo mpiompy. Tsy niandry ela ny polisy fa nanao ny vela-pandrika sy ny faharahan-dia ireo mpangalatra mampitondra faisana ny mpiompy ao an-toerana. Nahitam-bokany izany satria tratra tao anatin’ny vela-pandrika ny jiolahy iray teo am-pangalarana kisoa be roa. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy. Nilaza izy fa efa misy ireo mpivaro-kena miray tsikombakomba aminy amin’izao halatra ataony izao. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ity jiolahy ity.
J.C