Fampitomboana ny vokatra anaty rano: nandrotsahana zana-trondro 12 000 tao Andranobe

Fanamby apetraky ny fanjakana ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny sy ny fanampiana ny tantsaha mpiompy. Faritra maro nisitraka fizarana zana-trondro. 

Mitohy ny hetsika  fampiroboroboana ny famokarana anaty rano. Nandrotsahana zana-trondro 12 000 tao amin’ny farihy Andranobe atsinanana, faritra Vakinankaratra ny talata teo. Hetsika natao vokatry ny fiaraha-miasan’ny mpanjono ao amin’ny vondron’olona ifotony (VOI) TAMIA sy ny mpamokatra zana-trondro ao Betafo. Tombanana hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar ny vola hiditra amin’ireo VOI afaka enim-bolana raha toa ka misy taham-pahafatesana 5% ireo zana-trondro narotsaka. Nahazo fanampiana ihany koa ireo mpiompy trondro ao amin’ny faritra Vatovavy, ny alarobia teo. Nisitraka zana-trondro tilapia 10 000 ny kaominina Ifanadiana sy Tsaratanana, distrikan’Ifanadiana, Kianjavato ary ny distrika Mananjary. Zana-trondro 5 700 ho an’ny fikambanana trondro Avotra ao Ifanadiana. Zana-trondro 1 800 ho an’ny Tafotenina, raha toa ka zana-trondro 1 000 natao ho an’ny fokontany Ambodigoavy Tsaratanana ary zana-trondro 1 500 ho an’ny fikambanana mpiompy ao Kianjavato.

Fanamby

Tanjona apetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ny hampiakatra ny vokatry ny jono sy hanohanana ny tantsaha ary ny hampiakarana ny fihinanan’ny Malagasy trondro. Kendrena ny hanomezan-danja ny vokatr’ireo eny ifotony sy ny hahazoana zana-trondro azo antoka. Hotsinjarain’ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny Groupement des communautés paysannes (GCP) ao Ambohimiarina I, kaominina Tsiatosika, distrika Mananjary ny zana-trondro 1 500.

Henintsoa Hani

Partager sur: