Kitra – «Can 2023»: Samy manana ny fomba fiomanany ireo firenena 24

J-15 mialoha ny hanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny baolina kitra hifanandrinan’ireo firenena ny rehetra (Can 2023). Fihaonana hotanterahina any Côte d’Ivoire, ny 13 janoary ho avy izao. 24 ireo firenena hiady ho lohany amin’ity. Maro amin’izy ireo ny nisafidy hanomantena any ivelan’ny firenena misy azy.

Anisan’izany i Cameroun sy i Gambie, izay samy hiatrika ny fanazarantenany any Arabie Saoudite. Ankoatra izay mbola ho any Maroc ry zareo Gambianina ka hifanandrina amin’ny Liona an’i Atlas, ny 7 janoary.

Firenena 6, hikotrana any Emirats Arabes-Unis dia i Burkina Faso, RD Congo, Cap-Vert, Nigeria, Angola ary i Guinée. Hisy lalao fitsapana hataon’izy ireo mandritra ny fampivondronana tanterahiny any an-toerana.

Ho any Afrika Atsimo kosa ny Kintana maintin’i Ghana sy i Mozambika ka haharitra 10 andro ny fanomanana ho an’i Ghana. Hanoman-tena any Afrika Andrefana, i Algerie sy i Guinée Bissau ary i Nambie.  Any Togo ry zareo Alzerianina, raha any Mali ny an’i Guinée ary any Ghana ny an’i Namibie. Hikotrana any Tunisie  kosa  i Zambie sy i Mauritanie ary any Algerie i Tanzanie.

Firenena 8 nisafidy ny hijanona ka hanazatra tena ao amin’ny taniny dia i Côte d’Ivoire mpampiantrano, i Maroc, Egyte, Afrika Atsimo, Guinée  Equatoriale, Tunisie, Mali ary i Senegal.

Tompondaka

Partager sur: