Mandray anjara amin’ny fitaizana sy fanabeazana ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ny haikanto sy ny ivontoerana misehatra eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina.
Hotanterahina ny 6 janoary 2024, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana “La Nouvelle Terre, Ilay Tany Vaovao”. Mpahay kanto miisa dimy, samy manana ny maha izy azy, no hiara-hisalahy hanatontosa izany. Ankoatra ny fanehoana sy fampirantian’izy ireo ny haikantony, tanjona ihany koa ny hanentanana ny olona ho tonga saina amin’ny zava-misy eo amin’ny tontolo iainana ankehitriny, indrindra ny fahapotehina.
Haikanto maroloko, iarahana amina mpahay kanto samihafa no handravaka ny eny an-toerana, manomboka ny 6 janoary 2024. Anisan’izany ny haikanto plastika, ny haikanto an-tanàn-dehibe, ny sary pika, ny poezia ary ny hosodoko. Hampiranty ny haikantony mandritra izany i Aresoa Joëlle (Joey Aresoa), Andrianalitiana Amir Juvara (Amir.J), Harimanjato Aina Jo (Jo Aina), Raherinjatovo Richianny (Richianny Ratovo), Raoilison Mbolatiana (Clipse Teean). Efa samy manana ny maha izy azy avokoa izy ireto, na dia mbola tanora aza. Sehatra sy fampirantiana avo lenta maro ihany koa no efa nolalovan’izy ireo.
“La Nouvelle Terre, Ilay Tany Vaovao“
Raha ny fizotry ny seho ranty, amin’ny alalan’ny fanehon’ny mpahay kanto, mandray anjara, ny haikantony no hanentanana ny olona hanaja sy hiaro ny tontolo iainana. Hisy ny haikanto toy ny sary sy poezia maneho izany tany vaovao izany. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny ranty ataon-dRazafitsalama Mialy, ampitondraina ny lohateny hoe “Sedran’ny tany”. Mifandray ary misy itovizana raha ny tanjon’ny hetsika no jerena: samy manentana ny olona hikajy ny tontolo iainana.
Lin