Andro iray sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2023. Taona izay nisehoan-draha maro teto Madagasikara. Nisy ny nahafinaritra sy ny nahasoa. Tsy takona hafenina kosa ny ngidim-piainana izay tena niantraika hatrany anaty vilanin-dRamalagasy. Tena taonan’ny fahantrana faobe sy fijaliana nihoapampana izany ho an’ny sarambabem-bahoaka. Mampieritreritra!
Etsy ankilan’izay, tsy azo odian-tsy hita kosa ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana tamin’ny lafiny maro. Niavaka ny fotodrafitrasa izay ilain’ny vahoaka, toy ny lalana, ny sekoly, ny hopitaly, sns. Tsy teto an-toerana ihany fa hatrany ivelany, nisongadina i Madagasikara. Voahosotra ho tompondaka imbetsaka ny Filohan’ny Repoblika.
Tsy maintsy tanisaina ireo mba hahafahana mibanjina ny ho avy. Manoritra ny lalana tokony hizorana. Ny lesoka no ho fanoitra hakana lesona. Ny mety ho fampirisihana amin’ny drafitrasa isan-karazany. Ho taonan’ny asa rahateo ny 2024, raha ho an’i Madagasikara. Tsy maintsy mandray fiaingana amin’ny fotoam-piasana faharoan’ny filohan’ny Repoblika rahateo izany.
Betsaka ny fanamby tsy maintsy hapetraka ahafahan’ny vahoaka malagasy mihoatra. Miala avy any anivon’ny tokantrano rahateo ny fampandrosoana ny firenena. Efa nanome toky ny filoha, Rajoelina Andry, fa hiavaka ny fotoam-piasany. Hisy ny fanavaozana goavana. Teny filamatra rahateo ilay hoe « Tsy maintsy mandroso ».
Mitaky fiaraha-mientana ny zava-dRehetra ka ao anatin’izao famaranana ny taona 2023 sy ny fidirana amin’ny taom-baovao izao no tsy maintsy mametraka ny kajikajy rehetra. Ho taona zina ny 2024 ! Izay no nofinofin’ny rehetra. Ho lavitry ny fahasahiranana. Tsy hisy rofy sy fahorian-tsaina lalina izay mikiky ny 50 % amin’ny Malagasy. Ho ambinin-draha manasatra avokoa ny tsirairay.
r.r