Manandriana: nahazo milina fanodinana voasary makirana

Ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny. Nisitraka ny taninketsa indostrialy, tamin’ny alalan’ny milina fanodinana voasary makirana, ny distrikan’i Manandriana, ny alarobia teo. Mpisitraka voalohany ny tetikasa ny vondron’ny kaoperativa izay ahitana kaoperativa 14. Nanatanteraka ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny milina tao Ambovombe Centre, ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, ny lehiben’ny distrika, ny avy amin’ny faritra (DAGR). Tao ihany koa ny ben’ny Tanànan’Ambovombe Centre ary ireo solontenan’ny kaoperativa. Tsiahivina fa maherin’ny 40 ny distrika nisitraka ny tetikasa “One District One Factory” (ODOF), nandritra ny 11 volan’ny taona 2023. Mahomby ny tetikasa ary mbola ho tohizana ny fampiroboroboana ny indostria, noho izy anisan’ireo laharam-pahamehan’ny fanjakana. Mila ampitomboina ihany koa ny famokarana anatiny hialana amin’ny fanafarana avy any ivelany. Marihina fa maherin’ny 1 000 ireo nahazo asa mivantana sy ankolaka tamin’ny alalan’ny tetikasa ODOF.

Henintsoa H.

Partager sur: