Somary mangingina ! Nitombo isa ireo nisafidy hijanona sy hanatanteraka lanonam-pianakaviana ao an-trano !… Mandalo fahasahiranana ny ankamaroan’ny Malagasy !… Ireny rehetra ireny mitambatra no niteraka tahotra ho an’ny mpikarakara hetsika faran’ny taona. Sao sanatria vitsy ny ho tonga. Na ireo toerana na efitrano anisan’ny manana ny lazany amin’ny fampiantranoana lanonana faran’ny taona aza, vitsy ny nandray izany ho zava-dehibe. « Mikarakara ihany izahay, fa tahaka ny teo aloha. Maro ny zavatra nahena fa tsy hidiran’ny fatiantoka », hoy ny tompona trano fandraisana lanonana iray eto an-drenivohitra.
Nomarihin’ity tomponandraikitra ity fa : « anisan’ny miteraka tahotra ho anay ny fisondrotan’ny vidin’entana tamin’ity taona ity. Midangana be, ohatra, ny vidin’ireo akora fototra fanaovana sakafo. Mahatratra 70 000 ar ny voatabia iray kesika… Tsy afaka ny hanondrotra be ny saram-pidirana mba hifanaraka amin’izany anefa izahay, noho ilay fahefa-mividy tafalatsaka ambany loatra, eo amin’ny Malagasy. Noho izany, aleo tsy mikarakara hetsika lehibe tahaka ny teo aloha ».
Amin’ny ankapobeny, ny tanora no mandeha amin’ireny lanonana faran’ny taona ireny. « Tamin’ity taona 2023 ity, anisan’ny niteraka fahasahiranana ho azy ireny anefa ny zava-niseho teo amin’ny taom-pianarana. Antony iray niteraka tahotra ho anay ihany koa io », hoy hatrany ireo mpikarakara lanonana faran’ny taona.
HaRy Razafindrakoto