Ilay mpilalaon’Analamanga, Rakotoarisoa Riva, no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taona 2023. Anisan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, izay miatrika ny “Jeux Africain”, any Ghana, ny tenany.
Nifarana omaly, tany Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”, taom-pilalaovana 2022-2023. Norombahan-dRakotoarisoa Riva, mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga ny sokajy “1ère série”, lehilahy. Voahosotra ho tompondaka lefitra tamin’izany, i Luciano, izay nandrombaka ny amboara teto Antananarivo.
Araka ny vaovao voaray omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Tenisy ambony latabatra (FMTT), izy ireo no miaro ny voninahi-pirenena malagasy amin’ny “Jeux Africain” hatao any Ghana, ny volana marsa ho avy izao.
Ankoatra izay, nanjakan’ny ligin’Atsinanana ny fifanintsanana, maro tamin’izy ireo no tonga teo amin’ny lalao famaranana tany amin’ny sokajy hafa. Anisan’izany ny naha tompondaka an’i Océane, vehivavy mpilalao avy ao Toamasina, sokajy « 1ère série ».
Tsiahivina fa nandritra ity fifaninanana ity, nisy ny sokajy rehetra, “poussin” hatramin’ny “vétérans” ary ny “1ère – 3ème série”. Tsara ny mampahafantatra fa miisa fito ireo ligy nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Anisan’izany ny ligin’Atsinanana, Analamanga, Itasy, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro.
Raha ny fanazavana azo tamin’ny FMTT, ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany ihany no mifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, izay hatao any Korea Atsimo, ny volana febroary ho avy izao. Tsara marihina fa lalao “par équipe”, sokajy lehilahy, no handraisan’i Madagasikara anjara amin’izany.
Fitia Randria