“Pré-qualification Afrobasket 2025”: voaantso hanatevin-daharana i M’Madi sy i Kiady

Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “pré-qualification Afrobasket 2025”, Senior lehilahy, hatao eto Madagasikara, ny 15 hatramin’ny 19 janoary izao. Nisongadina ao anatin’izany lisitra izany ny fahitana ny anaran’i M’Madi Mathias, Malagasy  mpilalao milaravinahitra any Etazonia sy Razanamahenina Kiady, milaravinahitra any Frantsa. Mpilalao samy nisongadina tamin’ity taona 2023 ity, tao amin’ny klioba nisy azy avy, izy roalahy ireto, ka antony nisafidianan’ny teo anivon’ny fitantanana ara-teknika azy ireo. Raha hiverenana ny lisitra, mpilalao 15 no mandrafitra ny ekipa malagasy, hitsongana izay mpilalao 12 tena mendrika hiatrika ity fifaninanana ity. Mpilalao avy eto Analamanga ny 9 amin’izy ireo, avy amin’ny GNBC, Cosfa ary Cospn. Avy any Atsinanana sy Vakinankaratra ary Boeny kosa ny ambiny, ankoatra an’i Lahontan Rija, mpilalaon’ny PSB ao Frantsa. Araka ny fandaharam-potoana, hivondrona eto Antananarivo, manomboka ny 7 janoary izao, ireto mpilalao voaantso ireto. Andro vitsy mialohan’ny fifaninanana kosa vao hivoaka ny lisitra ofisialy izay handrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny “Pré-qualification Afrobasket 2025”.

Mi.Raz

Partager sur: