Hanomboka ny 9 janoary 2024, ny fampiofanana mahakasika ny sarimihetsika sy ny manodidina azy. Rasolofo Hasimbola, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika, manana ny maha izy azy, no hampiofana mandritra izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), miaraka amin’ny Academie nationale des arts et de la cultures (ANAC) sy ny ivontoerana ambony misehatra amin’ny sarimihetsika no hahatanterahan’ity hetsika ity. Tanjona ny hampiakarana ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy mpikirakira sarimihetsika.
Hizara sy hitondra ny fahaiza-manaony, mandritra ny fampiofanana karakarain’ny MSK sy ny mpiara-miombon’antoka aminy Rasolofo Hasimbola. Izy izay Malagasy nandalina manokana momba ny sarimihetsika, nandritra ny fianarana nataony tany Frantsa. Haharitra 2 taona ny fampiofanana ka ny fototra sy ny antsipiriany amin’ity sehatra ity mihitsy no jerena mandritra izany. Hisy ny “Ciné Club”, hijerena ireo sarimihetsika nitondra vokatsoa teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika manerana izao tontolo izao.
Lin