Hotanterahina anio indray, ny andro faha-19, fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre, « Premier League 2024 », taranja baolina kitra. Anisan’ireo hiakatra kianja androany, ny Manchester City, tompondaka farany. Hifanandrina amin’izy ireo ny ekipan’ny Sheffield United. Lalao hatao ao amin’ny Etihad Stadium Manchester.
Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny lalao ara-pirahalahiana, hihaonan’ny Tia Kitra FC sy ny Barea milalao eto an-toerana hatevenin’ireo milaravinahitra eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ireo ho avy amin’izany, i Tsiry Kely, Jean Yves, Berajo, Symouri.
Nivoaka omaly, ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Sénégal. Miisa 27 mirahalahy izy ireo no nantsoin’i Aliou Cissé, Sénégalais mpanazatran’i Lion de Teranga Sénégal. Mbola ao anatin’ity lisitra ity ry Sadio Mané, Gana Gueye. Tsiahivina fa ny “Can 2023” dia hotontosaina any Côte d’Ivoire, hatao manomboka ny 13 janoary ho avy izao.
Hatao any Soavinandriana, anio, ny lalao famaranan’ny seksiona any amin’ny ligin’Itasy. Hisy lalao famaranana roa, sokajy vehivavy sy lehilahy. Raha ho an’ny vehivavy, FC FFI hihaona amin’ny FC Manankiry. Ny klioban’ny FC Manankiry Mahatsinjo hifanandrina amin’ny FC Lavaranjo Ambohitravo, ho an’ny lehilahy.