Olona roa atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria eny Fiadanana, taorian’ny ady tany niseho teny Isahafa, Anosy Avaratra, ny sabotsy 30 desambra teo. Tale eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany ny iray. Voasaringotra miaraka aminy ny tomponandraikitra ao anatin’ ny antoko politika TGV. Nanao fihetsiketsehana ny fokonolona tao Isahafa momba ny fisiana olona voalaza fa mpangalatra ny tanin’izy ireo izay mirefy 5 ha.
Araka ny fantatra, ampangain’ny fokonolona ho nanao hosoka tamin’ny taratasy fifampivarotana ity tale eo anivon’ny minisitera ity. Nosoratany tamin’ ny fianakaviany akaiky ilay tany. Nitadiavany teratany vahiny hividy. Taratasim-barotra hosoka anefa no nampiasainy. Niteraka fifampikasihan-tanana teo amin’ilay sinoa nijery ny tany hamidy sy ny fokonolona nanajary ny raharaha. Ankoatra io, velon-taraina ny mponina ao an-toerana fa efa tambajotra mihitsy ireo mpangalatra tany ao Avaradrano. Manampatra fahefana izy ireo.
Araka ny fanadihadiana natao, anisan’ny manome vahana ny mpangalatra tany ny mbola fisian’ny fanotoran-tany tsy ara-dalàna. Efa naato tao amin’ny filankevitry ny minisitra anefa izany. Efa mandeha ny famotorana isan’ambaratongany ka atomboka eny amin’ny APIPA.
Manomboka ny fanadiovana sy ny ady amin’ny kolikoly, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fampielezan-kevitra, tsy hijerena tavan’olona sy mpiara-mitolona.
Tantara mitohy ity eny Avaradrano ity!
Tsiferana R.