Dahalo nanao fanamiana miaramila maty voatifitry ny zandary tao amin’ny tanànan’Ambodiakondro, kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Niafina tsy lavitra io toerana io ilay olon-dratsy, araka ny angom-baovao azon’ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanamarina izany ny zandary telo lahy sy miaramila roa. Teny am-pisamborana azy, nokasain’ny manampahefana entina hihazo ny birao hatao famotorana io lehilahy io. Nosakanan’ny naman’ilay dahalo izay efa niafina tany anaty vohitra ny mpitandro filaminana. Vokany, raikitra ny fifandonana ka lavo ilay dahalo iray. Latsaka teny aminy ny fitaovam-piadiana nampiasainy. Nitsoaka nandositra ireo olon-dratsy namany. Mitohy ny fikarohan’ny zandarimaria sy ny namany ireo dahalo tafaporitsaka. Marihina fa nanjaka ny dahalo mpaka an-keriny tao amin’iny faritr’Anjozorobe sy ny manodidina iny tato ho ato. Nanao izay ho afany tamin’ny fisamborana sy ny fanatrarana ireo tsy matimanota ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana izay tarihin’ny eo anivon’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Centrale.
Tsiferana R.