Hanan-karena fifaninanana iraisam-pirenena ny taona 2024. Ankoatra ny any Frantsa, izay ho foiben’ireo lalao goavana rehetra, hisy fihaonana koa aty amin’ny kaontinanta Afrikanina.
Miisa 10 ireo fihaonana iraisam-pirenena hanamarika ny taona 2024. Hisongadina ny “lalao Olympika (JO 2024)”, tanterahina any Frantsa, ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra, ho avy izao. Mampiavaka azy, sambany amin’ny tantaran’ny “lalao Olympika” no hitovy ny fifaninanana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mbola hampiantrano ny lalao ho an’ny atleta manana fahasembanana ihany koa i Paris, ny 28 aogositra hatramin’ny 8 septambra.
Ho an’i Afrika, hiavaka ny lalao Afrikanina hatao any Ghana, ny 8 hatramin’ny 23 marsa 2024. Hotanterahina any Côte d’Ivoire, ny 13 janoary hatramin’ny 11 febroary ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra na ny CAN.
Manamarika ny taona ihany koa ny andiany faha-17 amin’ny fiadiana ny amboaran’ i Eoropa na ny Euro. Hampiantrano izany i Allemagne, ny 14 jona hatramin’ny 14 jolay. 10 ireo tanàna handray ny lalao: Berlin, Cologne, Dortmund, Dusseldorf, Francfort, Gelsenkirchen, Hambourg, Leipzig, Munich ary Sttutgart.
Ho an’ny taranja Rugby, hatao ny 2 febroary hatramin’ ny 16 marsa ny «Tournoi des six nations». Fifaninanana hifanandrinan’ireo sangany: France, Ecosse, Angleterre, Pays de Galles, Irlande ary Italie.
Hotontosaina ny 20 mey hatramin’ny 9 jona ny Roland-Garros; ho an’ny mpankafy taranja tenisy.
Hanomboka ny 2 marsa, ao Bahrein, ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny familiana fiarakodia, ny Formule 1. Hifarana ny 8 desambra izany. Hitontaly 24 ireo «Grand Prix», amin’ity taona 2024 ity. Ny 29 jona hatramin’ny 21 jolay ny hazakazaka am-bisikilety manodidina an’i France. Hatao any Doha, ny 2 hatramin’ny 18 febroary 2024, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja lomano. Farany, hisongadina koa ny NBA, ho an’ny mpankafy taranja basikety.
Tompondaka