Fanendrena Praiminisitra : miandry ny anarana telo hisafidianany ny filoha

Iza no ho Praiminisitra ary rahoviana ny fanendrena azy? Miandry ny anarana telo avy amin’ny vondrona politika manana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena hisafidianany ny filoha.

“Ankehitriny, miandry ny fanolorana ireo anarana telo izay hotendrena ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta avy amin’ny vondrona politika manana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimieram­pi­re­nena ny tenako, hahazoako misafidy sy manendry azy “. Io ny kabarin’ny filoha Rajoelina tamin’ny fitsenana ny taona vaovao, ny alin’ny 31 desambra. Aorian’izay, hiroso amin’ ny sivana sy fanolorana ireo minisitra ny Praiminisitra. Lehibe ny vina ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Mitaky fepetra hentitra ny fanendrena minisitra. Mila vokatra haingana sy azo tsapain-tanana ny vahoaka. Olona vonona no ilaina amin’ny fanatanterahana an’ireo tetikasa. Minisitra manolo-tena ho an’ny firenena, hanompo ny vahoaka, tsara sitrapo, mahitsy, miasa haingana, manana traikefa. Vonona hiara-hiasa amin’ireo mahafeno ny fepetra ny filohan’ny Repoblika.
Tsy ny fanaovana doka olona amin’ny serasera na ny fanangonan-tsonia no mibaiko ny fanendrena. Takina mba ho manana ny fahaiza-manao sy mahafehy ny fanatanterahana asa. Ilaina fitoniana ny fampandrosoana ny firenena. Ho hentitra ny fepetra ary tsy hisy indrafo ho an’ireo minia misakana ny fampandrosoana. “Horaisiko ho adidy ny mampiray sy mampitambatra ny Malagasy rehetra tsara sitrapo mba hiara-kikatsaka ny tombontsoa ambonin’ny firenena isika sy ireo rehetra tena tia tanindrazana”, hoy izy. Notsi­a­hi­viny ireo andry telo iankinan’ ny fampandrosoana: fanomezan-danja ny maha olona, fampiroboroboana ny famokarana sy ny indostria, fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana.

R. Nd.

Partager sur: