FANTINA sy FINTINA

Nampirisika ny rehetra mba hampifanaraka ny firariantsoa amin’ny asa atao ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi. Nivoitra izany tamin’ny hafatra sy firariantsoa nataony, amin’izao taona vaovao izao.

Mbola hofaritana amin’ny didim-panjakana ny toerana ho an’ireo mpanolotsaina, amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, araka ny nambaran’ny Ceni. Tsy hahazo ny toerana rehetra akory ireo ben’ny Tanàna sy mpiray lisitra aminy fa mbola misy kajy atao amin’izany.

Hidina eny ifotony haka hevitra ny vovonana mpanelanelana ny krizy, tarihin-dRalaiseheno Guy Maxime, taorian’ny fivorian’izy ireo ny herinandro teo. “Hitety faritra maromaro hihaino ny hetahetan’ny any ifotony amin’ny hitondrana ny firenena”, hoy izy ireo.

Namarana ny taona niaraka tamin’ireo tanora MMM teny Ankerana, ny zoma teo, ny mpitarika ny antoko, Andrianainarivelo Hajo. Efa hetsika fanao matetika iarahany amin’izy ireo ny “Zoma magnifique” tahaka izao. Nifampirariana soa sahady koa izany ho an’ny taona 2024.

Partager sur: