Federasion’ny baolina kitra : andrasana ilay fikaonandoha nolazain’ny filoha

Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), Andriamanampisoa Alfred, ny fanatontosana ilay fikaonandoham-pirenena. Miandry izany ireo mpisehatra amin’ity taranja anisan’ny mankararirary ny Malagasy ity. Mandritra izay no hihainoana ny hetahetan’ny mpilalao sy ny mpanazatra. Vanim-potoana handraisana ny olana isan-tokony, mampikatso ny ligim-paritra sasany. Dinihina ao anatin’izany koa raha ny fanazavana azo avy amin’ny filohan’ny federasiona, nandritra ny fampielezan-keviny, ny amin’ireo kintan’ny baolina kitra fahiny. “Toa zary hadino rehefa tsy miakatra kianja in­tsony izy ireo, ka ataon’ny olona anjorom-bala hatrany ”, hoy izy tamin’ny fanentanana ny mpifidy nataony.
Anisan’ny goavana amin’ ny fikaonandoha koa ny hisintonana ny mpanohana hiverina ka hampiasa ny volany ao anatin’ny baolina kitra. Mari­hina fa ho voakasiky ity fiaraha-midinika ity koa ny mpitantana sy ny klioba, loharano ipoiran’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena. Ha­na­na ny anjara toerana ny mpitsara sy ny mpijery, izay tsy mazoto mijery baolina. An­isan’ny teboka iarahan’ny rehetra mijery ny mahakasika ny fotodrafitrasa, izay sakana lehibe tsy mampandroso. Tsy ho hadino ny fifandraisana iraisam-pirenena. Zava-dehibe, araka izany, ilay fikaonandoha satria karazana tondrozotra, hitondrana fampandrosoana ho an’ny baolina kitra, ao anatin’ny efa-taona manaraka.

Tompondaka

Partager sur: