Olona efatra namoy ny ainy ka roa vokatry ny lozam-pifamoivoizana nandritra ny faran’ny herinandro. Nisy ny matin’ny toaka. 120 nandalo fizaham-pahasalamana.
Vehivavy roa matin’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Anosy sy Ankasina, omaly maraina. Renim-pianakaviana iray avy namonjy alim-bavaka ny iray. Niaraka tamin’ny zanany izy, voafaokan’ny fiara tampoka. Maty tsy tra-drano raha toa ka tsy nisy nahina ny fahasalaman’ilay zanany. Mpively vato sady mananotena ity niharan-doza ity. Fito taona ilay zanany niaraka taminy. Hody eny Nanisana izy mianaka no tra-doza. Nitsoaka nandositra ny mpamily ilay fiara noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka. Nitonon-tena teny anivon’ny mpitandro filaminana izy, omaly.
Olona iray hafa koa matin’ny lozam-piarakodia teny Ankasina, omaly. Niezaka hanavotra azy teny amin’ny HJRA ireo nanatri-maso saingy tsy tana ny ainy. Ankoatra ireo, olona roa maty teo anivon’ny hopitaly ka matin’ny fisotroan-toaka tafahoatra ny iray.
Namono tena
Olona roa nikasa hamono tena, avotry ny mpitsabo soamantsara, raha ny antontan’isa voaray teo anivon’ny HJRA. 13 hafa narary vokatry ny fihinanana menaka tafahoatra “Mayonnaise”. Manaraka fitsaboana akaiky avokoa izy ireo saingy tsy misy ahina ny fahasalamany.
Etsy ankilany, olona 50 voan’ny ratra madinika teny anivon’ny tokantrano sy ny fiarahamonina. Manodidina ny 60 ireo tra-doza tamin’ny fifamoivoizana ka kodiaran-droa avokoa ny ankamaroany.
Tsiferana R.