Fizahantany eto Madagasikara : nahatratra 222 848 ny mpitsidika tamin’ny 2023

Manomboka miarina tsikelikely ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Naha­tratra 222 848 ireo mpizahatany tonga teto amintsika ny taona 2023, araka ny tatitra navo­akan’ny minisiteran’ny Fiza­han­tany. Vokatra azo ta­min’ny alalan’ny ezaka nataon’ny mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fandraisana ny vahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitomboana ny sidina iraisam-pirenena sy ny sidina anatiny izay antoka amin’ny fampandrosoana ny fizahantany. Manginy fotsiny ny fanamboarana ny fotodrafitrasa samihafa toy ny lalana. Vanim-potoana isan’ny nahabe ny mpizahatany ny 2019 satria tafakatra hatrany amin’ny 350 000 ireo tonga teto Mada­gasikara. Ankehitriny, manakaiky izany ny antontan’isa ta­min’ny taon-dasa ka tokony ho tohizana sy hatsaraina ny ezaka efa natomboka.

Fampandrosoana
Manodidina ny 20 ny gazety boky iraisam-pirenena mampahafantatra an’i Mada­gasikara sy ny hakantony any ivelany. Anisan’ny nanamafy izany ny gazety boky Condé Nast Traveler, izay nilaza fa tafiditra ho ao anatin’ireo toerana tsara tsidihina mandritra ny taona 2024 i Madaga­sikara.
Tsiahivina fa nandray anjara tamina hetsika samihafa ho an’ny fampiroboroboana ny fizahantany tany ivelany koa i Madagasikara. Maro ny hetsika nentina nisarihana ny mpizahatany. Efa misy rahateo ny paikady ataon’ireo mpiantsehatra samihafa ha­natsarana ity sehatra ity. Indrindra ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena.

Henintsoa H.

Partager sur: