Kaominina Ampitatafika : fianakaviana sahirana 200 nisitraka tolotra

Mponina 200 notsongaina avy amin’ny fokontany 13, eo anivon’ny kaominina Ampita­tafika no nisitraka fanampiana tamin’ny faran’ny herinandro. Nahitana vary, menaka, bis­cuit, vatomamy ho an’ny ankizy izany. Nisy ny fiaraha-mi­asa teo amin’ny kaominina sy ny orinasa mpivarotra fanitso iray eny an-toerana nahafahana nanao ny hetsika.
“Tokony hanana zo ho faly sy hifety ny tsirairay avy rehefa fotoanan’ny fety sy ny fiantsenana ny taona vaovao ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny tale jeneralin’ilay orinasa, Atoa David. “Fanao isan-taona ny hetsika mba ho fanampiana ny vahoaka sahirana ara-pivelomana eny an-toerana”, hoy kosa ny ben’ny Tanànan’Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Ankoa­tra izay, nanome hafatra ho an’ny raim-pianakaviana isan-tokantrano izy mba ho mpamaha olana fa tsy hitondra na fototr’olana.
Marihina fa mbola hitohy hatrany ny hetsika sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo orinasa lehibe eny an-toerana sy ny kaominina. Mba hahafahana manampy ny mponina sy ho fanamafisana ny fiaraha-mia­sa amin’ny tsy miankina, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: