Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga, ny herinandro teo. “Tsy maintsy hanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana faran’izay haingana ireo manampahefana rehetra nanao sonia ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana momba ireo vary simba ireo, miaraka amin’izay olona rehetra nandray anjara nanelanelana tamin’io raharaha io”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nodorana avokoa ireo gony nisy ireo vary simba rehetra. Fantatra fa nahatratra 3072 ny gony nisy ireo vary voafotsy raha toa ka 402 kosa ireo gony nisy ireo vary voavadika ho vovony. Tsiahivina fa olona fito no naiditra vonjimaika ao Marofoto-Mahajanga momba ny raharaha ka anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasaringotra tamin’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampy ny mpamily ary ny mpibata entana roa lahy. Nogiazana ihany koa ireo fiarabe dimy nisy izany. Tsy mbola nahitana ireto vary simba ireto kosa eny amin’ireo tsena ao an-toerana. Nanamafy izany ny talem-paritry ny indostria sy ny varotra ao an-toerana, Lambo Mbolanirina Nadia.
Henintsoa H.