“Ping-pong”: loha-lisitra ny mpilalao eto an-toerana

Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao, any Ghana, ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain”. Ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”, hisolo-tena an’i Madagasikara ny mpilalao avy eto an-toerana. Efa vita ny fifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena. Notontosaina nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao tany Toamasina, ny zoma 29 desambra lasa teo izany.
Araka ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ ny tenisy ambony latabatra (FMTT), Riva sy Luciano, mpilalaon’ny Acacia Analamanga no solontenan’i Madagasikara amin’ny “Jeux Africain”. Marihina fa nanao ny lalao famaranana tamin’ny sokajy “1ère série” izy mirahalahy.
Tsiahivina fa norombahan-dRakotoarisoa Riva, mpilalao Acacia Analamanga, ny “1ère série” lehilahy, nalain’i Oceane, mpilalaon’ny CJST, ny amboaran’ny “1ère série” vehivavy nandritra ny fifaninanam-pirenena.

Fitia Randria

Partager sur: