Arahaba soa, arahaba tsara mahatratra ny taona vaovao. Amin’ny toy izao, mandeha ho azy ny firariantsoa: hitondra soa sy fanambinana ny taona vaovao, ho taon-jina… Nefa tsy ny taona vaovao no hitondra inona, fa ny tsirairay arakaraka izay ataony sy vitany no mitondra soa sy fanambinana amin’ny taona vakivakiana. Tsy misy ambinina ho azy amin’izao raha tsy mihetsika, tsy miasa, tsy manam-paharetana amin’izay atao….
Amin’ny fiandohan’ny taona toy izao koa, misy ny be fikasana sy be famaritra: hanao an’itsy, hamboatra an’iroa. Ao aza ny manonofy amim-pitoerana. Miandry sy manantena zavatra amin’izao fa hoe taona vaovao: fiainam-baovao, rivo-baovao… Nefa tsy hita mazava izay (h)atao: inona, ahoana? Misy ny mahavita mandrafitra vina, tetika, fomba fiasa… Hatraiza ny firotsahana sy fanatanterahana? Na ahoana na ahoana, arakaraka izay atao ihany ny soa sy fanambinana.
Izay atao? Arakaraka izay heverina ho zava-dehibe sy maika, izay azo tanterahina sy mety ho vita. Mila mazava sy maty paika izany, raha tiana ny hahita fahombiazana: tsy atao kitsapatsapa, fa iadiana sy iaretana. Na eo amin’ny isam-batan’olona io, na isan-tokantrano, na isan-tsehatra… Inona àry izay hoe (h)atao izay? Arakaraka ny tanjona… Tsy misy ny tonga tsy miainga, na vita tsy atomboka. Manomboka avy hatrany, rehefa tapa-kevitra sy voafaritra mazava izay hatao
Ny atao ihany no manova zavatra, ary mby amin’ny hoe tsy mora ny manao zavatra: mila ezaka sy fikirizana izany, fahazotoana sy fitozoana. Izay miaritra sy maharitra hatramin’ny farany no hojerena? Ho hitan’ny ataony sy ny hafa eo izay manao mosalahy, miandry ny hafa, manonofy am-pitoerana… Hitondra soa sy fanambinana tokoa amin’izay atao anie izao taona vaovao izao.
R. Nd.