Hanangana ozinina hanodina zezika i Madagasikara hanampiana ny tantsaha ary indrindra hanatsarana ny fambolena, ny voka-bary eto amintsika. Tanjona ny hampakarana ny vokatra mba hanenana ny fanafarana sy hanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafon’ny Malagasy.
Hafainganina ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina sy ny fampiasana ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro any amin’ny distrika maro manerana ny Nosy. Tanjona ny hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny herinaratra vokarin’ny orinasa Jirama sy mba hisitrahan’ny besinimaro hazavana isan-tokantrano.
Andrasana higadona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny taona 2026, ilay sambo lehibe (cargo à voile) Windcoop. Hiainga ao amin’ny seranan-tsambon’i Marseilles ity sambo lehibe ity ka miantoka ny fifandraisana sy ny fitaterana entana an-dranomasina eo amin’i Madagasikara sy Frantsa.
Manodidina ny 12 000t ny vokatra graphite manana kalitao flake nataon’ny kaompanina Tirupati Graphite” teto Madagasikara, nandritra ny taona 2023. Tafakatra hatrany amin’ny 18 000 t isan-taona kosa ny Sahamamy. Fantatra fa hanampy tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano (centrale hydroélectrique) 500 kW ao Sahamamy ity kaompania ity.